TIA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIA

Taitra aloha ianao
Tsy ampahitany tory
Manara-maso azy
Somary menamenatra
Avy eo mivazivazy...

Dia lasa ianao mitory
Fa tsiky indray mielatra
Sy maso sendra tazana
Saha iray mivelatra
Miandry hiantsapazana
No Hahatsapany koa
Fa izy koa mba tia
Miandry vetsom-po
Hivoady ilay sonia ...

Dia iny ianao tsy foiny
Fa zary felam-bony
Manitra hokoloiny
Mamahatra ao am-pony...
Ho rantsana an-kavia
Hitantana ho doria

O! Mamy anie ka mamy
Ilay voalohan-tafa
Niainana an'izany e!
Tadidy tsy ho voafafa
Hitety ny any ho any
Ka aza mihafahafa
Mibitsika amin'tiana
Raha manam-paniriana
Kaloy hoe " Tiako ianao !
... ekeo raha sitrakao..."

Harylovah_311212
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - Alahelo
1393 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138