TOHINA NY FOKO (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleoko aloha mangina sy tsy hiloaka akory
raha maloka ny andro nataoko hitsikiana
mba hanamaivana azy , hialan'ny sorisory
hisian'ny fitoniana...

Aleoko aloha mitony , haminavina mora
raha tonga ilay fotoana 'zay misamboaravoara
mba hisy tsiky indray 'ty vatana bakora
handamina tantara...

Aleoko aloha ry Tiana hamisavisa tsara
hisinda hiala kely fa tsy hoe hiova loko
ataoko izao satria mba tiako ny hanambara
fa tohina ny foko...


harylovah[mai1995] :(
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1490 0
Hevitra mandeha
zonia ( 09/04/2012 15:33)
Tsara be ilay aingam-panahy. Mahaliana ilay tara-kevitra. Tohizo fa tsara.
andoez ( 17/07/2012 16:43)
milay be de tohizo fa tena hevitra mety mihintsy ny mangina.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 09/04/2012 08:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139