VOHITRA HAOLO (Hasina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nizotra teny foana ny andro sy ny oraTsy mino izao ny saina fa rava moramora
Ilay Tanjona kinendry hanorin-toka-trano
Ry fianam-pitiavana nidiran'angano
Ny sisa tavela dia vohitra haolo
Mitoetra mangina ivelan'ny maro
Ambetin-tenin'ny olom-pandalo
Toerana very tsy misy mpahatsiro
Ny rano-talaho mandena ny taniny
Fa bozaka sisa no indreo fa mamelana
Manaigony ny vohitr'ilay tokotaniny
Miandry ilay olona tsy afaka hiserana
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahatsiarovana - Fitiavana
