AZA MISY (Hasina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rakotra haizina ny tany
Anaty alina mangina
Ny eritreritra amin'izany
mitety ny habak'olo-tiana

Te-hitafy ny hafanany
Fa mikitroka ny alina
Dia manembona any ho any
Amin'ny nofy an'alin'alina

Raha mikoro izato tany
Tsy azo honenana intsony
Hanorenako ny ankany
Ny habakabaka eny ambony

Raha ny kitana no hiraraka
Na hihintsana ny volana
Any an-danitra any miaraka
Fa tsy asian-tsika olana

Fa raha holavin'Andriamanitra
Ny tanantsika hifampitantana
Na koa harindriny ny lanitra.
Dia ononiko ny foko: aza misy ry fitiavana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
3 1
Mpakafy: Hansinosoavina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hasina
Nampiditra : Hansinosoavina
Daty : 31/10/2026 08:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0348