TIAKO FOANA IANAO (has'n kwel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fanja a! ny mpanenjika tsy maintsy misy
manao anao ho toy ny adala
kanefa ry malala indrisy
fa tiako foana ianao fa zareo tsy mahalala
.
ry malala, eny ianao tsy foiko
ekeko ry malala ekeko ho adisoko
ny namela anao any, nandaozako anao aty
kanefa ry fanja, tsarovy fa izaho mbola tia
.
maro ho izy ireo ny bandy, maro eto an tanana
fa ndry v adala olona tsy hita no mahatamana
nefa tsy mba hainy, tsy tsapany akoru
fa lay fitiavan-tsika tsy maty fa matory
.
ianao ry fanja, ianao efa hatrany am piandohana
no tiko raha samy vehivavy tao an-tanana
ka matokisa, hiverina aho tsy ho ela
hamerina ireo fitia farany sisa tavela.
.
tiako ianao ry fanja
--------
Rohy:
1662 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : has'n kwel
Nampiditra : mandresy1
Daty : 30/07/2016 05:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147