(tohin'ny IZAHO SY FANJA) (has'n kwel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(tohin'ny IZAHO SY FANJA)
mamy akia ny miara-droa, mamy ny mifankahita
saingy ny fitenenana " raha tsy mitady tsy mahita"
ka mamiko ny anilanao, tsaroako ireny taloha
ka matokisa ianao ry fanja tiako, izaho tsy hiova fo
.
ny fitadiavana no sakana manelanelana antsika
mahatonga ity fo, bontolo sy hangatsiaka
nefa tsarovy, saino koa ry fanja malala
fa ankehitriny tsy toy ny taloa ka vokin'ny valala
.
fa ady ny fiainana, kiry no miasa
na dia izany aza ny lasa tsy ho voafafa
fa ahy ireny, anao, antsika roa
tantara iray mipetraka tsy ho voafafa an-doha
.
toky ry fanja, toky manan-kasina
no omeko feno anao, avy aty amin ny hasina
mbola ho avy aho, hiverina any aoriana any
hamerina sy hanohy ireo fitia mamy
.
fa ra iny ianao tsinona ilay miantso ahy
maha-tohina ity foko,mamberovero fanahy
ka tsy andriko ry fanja, ny ahita ilay fiara
ahitana ny anaran- tsika H & F avy ao aloha sy afara (hitohy.....)
--------
Rohy:
92 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : has'n kwel
Nampiditra : mandresy1
Daty : 30/07/2016 10:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132