Ampoizo ka aza ory (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPOIZO KA AZA ORY !Raha ho avy ny fotoana tsy hihaonantsika intsony,
mahaiza re mitony.
Izay no lahatra sy anjara
tsy nisy mpahalala.
Zovy no nahavina ny ora voatondro ?
Esory ny alahelo, ny maty aza omena fondro !
Ny hamy niainantsika e !
Ny soa niaraha-nianoka
no ataoko Paradisa.
Tsy nisy faty antoka
ireny tsiky analin-kisa
sy bedibedin’olo-matotra
tandremo ny tomany fa meteza ho finaritra.
Zovy no afaka hanisa ny androny eto an-tany ?
Na ho ela na ho haingana, tsy maintsy ho avy izany.
Na dia tsy foiko ianao, ny aintsika tsy hifametra
F’izao dia tsara hampoizina ny mety hiseho rehetra.
Aoka tsy ho tampoka izay mety ho fisarahana
Fa efa vitan’ny Nahary ny asa fandaharana.
Raha ho avy ny andro tsy hihaonantsika intsony.
Aza ampombaina alahelo ity nitia tamin’ny fony.
Vita ny adidiny na dia mbola be ny tiany hatao.
Aoka tsy ho kivy fa efa nampiadana azy ianao.
Ianao efa nanaja, namoky fahasambarana.
Eny, taminao no nisantarany fiadanana.
Ka meteza ianao hifaly fa nahavita adidy.
Nataonao lohalaharana ilay fony sarobidy.
Heriarialala Andriamamonjy 17/03/2022
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 28/06/2026 01:51
