Antanimora (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AntanimoraAnarana fotsiny ny hoe "tany mora"
fa miaina ny mafy ka mangidy rora,
izay tafiditra ao angaha afa-manoatra ?
mba fantatrao ve fa tsy afa-mivoatra ?
Miaina ny mafy, tsy mahita mazava
ary tena tsy tanty ny mihidy lava,
Ora vidina no ifamangiana
Tsy hita isan'andro ny fianakaviana.
Anarana fotsiny ny hoe tany mora
Fa loza mihatra io ho an'ny tanora
Lalana sarotra io sady mideza
Raha antitra no ao ve mbola hateza ?
Mangahazo maina tsy igalabonana
fa zara raha misy ity sakafo iombonana
fiainana lafo sy ijalijaliana
rehefa misazy dia izay no ihafiana.
Aza manody ho an'ny tsy mbola voa
fa ilay tany mora dia lainga tokoa
fiainana sarotra sy vidin-dafo
ifandimbiasan'ny ngidy sy tsatso.
Heriarilala Andriamamonjy 18/09/26 20:43
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 21/09/2026 02:40
