Eloy fitiavana (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ELOY FITIAVANA Te hiresaka fitiavana ny foko votsavotsa
Ilay matahotra fandavana sy manahy tsy ho tontosa
Mitaintain-dava amin'ny tranga mpifandimby
Manahy ny ho rava raha tojo ny tsy fidy.
Omeo toky maro aho fa nofy ratsy izany
Raha sendra fahavalo dia mba arovy ihany
Ny resaka mandeha aza misy henoina
Ao odio tsy re dia ezaho koa hadinoina.
Te hielo fitiavana ny foko mora kotsa
Matetika itatiavan'ny oram-be miavosa
Eo an-tsandrinao no mandry fahalemana
Ny anilanao izao no mahamarin-toerana
Mivatravatra loatra ireo milaza ho namana
Mifofofofo tafahoatra ny rivo-kasomparana
Ny masonao ilay tia no aza avela hiangatra
Ny foko osa aky efa te ho sambatra.
Heriarilala Andriamamonjy 16-02-25 21:48
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 27/07/2026 11:32
