Fitaratra-dratsy (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITARA-DRATSY

Lesona nomena ny kidorodoro,
orinasa an-jatony, montsana daholo.
Olona an’arivony no tsy an’asa intsony
noho ny fisosin’ny sasany ry itony.

Ry zalahy ambonimbony mandefa volamena,
ireo vaventy sasany manondrana andramena
ao koa ny manakalo ireo harena sarobidy,
tapikany amin’izany ny sokatra amam-biby.

Fa mihoatra ny mpampianatra ny mpianatra mahay
dia aza mody zendana raha izao mitranga indray
ny doro valan-javaboary sy fivarotam-boky,
tsy zava-baovao io fa fandovana an-droky.

Tahiry maromaro no sinimbanao mpampianatra
ka tsy mahalala vakoka ireo dimbinao mpanahaka
harem-pirenena no naondranao hiampita
dia tsy miaro intsony ny mpianatrao maditra.

Ataovy hahazoany tombony ny harenany namidy
dia tsy hataony intsony ny fandringanam-biby.
Ataovy fadin-drazana ny mandavenona tahiry
dia inoana fa hokajiny ireo boky firifiry.

Heriarilala 06/10/22 15: 58
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Fiainana
44 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.199