FITIA TSY NINIANA (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA TSY NINIANA

Fo tsy nisafidy ny ho tia ny atỳ
fa tiana ka dia tia.
Saina tsy nivonona hiara-droa izany
fa lasanao androany.

Fo nahafola-tena ny hahatokan-dia
no toloranao fitia.
Saina tsy niomana ny ho namanao izany
fa tantananao androany.

Tiana ka dia tia !
Hitia ka hifangia,
Hitia fa resinao.
Babonao aho izao !

Heriarilala, 19 mey 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0463