Ho an'i Ny Avo (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an'i Ny Avo

Ianao no nety hitoetra, ianao no nety ho tonga,
ny talohanao rehetra minitra vitsy monja
dia nandao ny reninao ka nampifiaka ranomaso
nefa anio izao, ianao am-poko ato.

Tia anao i Neny, tia anao i Dada.
Mahafatifaty kely ilay ianao mibadabada
sy miara-milalao amin'iretsy zana-kavana,
ny tsapako eto izao : izao aho vao miadana !

Arahabaiko ianao fa tamana anilako
ny vavaka ataoko sy andalan-tononkirako
dia ianao ho tonga taiza, ho vanona, ho tafita
mianara ka mahaiza, izay tadiavina ho hita.

Hitahy anao ny Tompo, hanambina eny foana
Ho sambatra ny foko raha avy ny fotoana
hisandratanao noho ny fikelezana aina
hendre tsara ianao, fa tena andrandraina

Ianao no nety hitoetra, ianao no lahimatoa
ny fitahiana rehetra anie hiampy zava-tsoa,
dia ianao hankamamy ny ankohonantsika
k'izay nampitomany hiova ho paradisa.

Heriarilala Andriamamonjy 28/02/25 15:45
--------
Rohy:
4 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra : iheriarilala
Daty : 05/07/2026 22:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0138