Inona no hatao? (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INONA NO HATAO?Malala a! Vaky re ny foko a!
Voadona koa ny saiko
f’ilay tany nokoloiko
sy mba nantenaiko
ho an’iretsy zanatsika
indrisy ts’isy fika
fa tongan’ny maditra
Alainy ambongadiny
hanomanany ny hoaviny
f'isika tsy heveriny,
isika ampenimpeniny
ho sempotsempotra etsy
fa izy ireo 'nge fetsy e!
Ho sempotsempotra etsy
ho latsa-dranomaso eroa,
raha mikiry ny tsy hety,
haratra ihany koa,
ho faty mihitsy mihitsy
fa ny “pra” koa tsy mitsitsy!
Miasa re ny saiko a!
Mandinika ny misy,
saika tsy holazaiko
fa tsy tanty intsony mihitsy
izao mitranga izao
ka inona no hatao?
Heriarilala 01/10/16
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 18/07/2026 21:53
