Io tsikitsiky io (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IO TSIKITSIKY IO'Zao no tadidio,
io tsikitsiky io
no fitaovam-piadiana
anafenam-pahoriana !
Ka saròny ao
ny alahelonao rehetra,
ny fihafianao,
ny sento sy ny tsetra.
Ka ts'hisy hahalala
ny ady atrehinao,
fa tena ho sahala
amin-tsambatra ianao.
F'io tsikitsiky io
no tena tadidio
fa salotra anafenana
ny alahelo ts'hita hoferana.
Dia ts'hisy hahalala
ny ady atrehinao,
ary tsara tena tsara
raha fadiana ny talaho
Mitsikia hatrany
Tsy ho fantatry ny tsy tia
Ny ratra anaty any
Izay mangirifiry ery
Io tsikitsiky io
no mazàna itafio
ka hiery tokoa
izany ratram-po
tram_po
#Ratsimbazafy_Heriarilala_Andriamamonjy
Takarivan'ny 28/07/15
Tamin'ny 07:05
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 28/07/2026 01:54
