Irarahan'ny hanitrao (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Irarahan'ny hanitrao

Irarahan'ny hanitrao ny foko manambolo dia sitrana, salama
Mirindrarindra tsara ny fitepo manontolo, anilanao tamana
Toa fo miserana ihany no mamerovero aty
Fa angamba any ho any izay ho tompon'ny fitia

Salovaninao ny tokotanin'ny fitia babangoana angoty
Miherika aminao maheno feon-dia ka te hiara-kitosy
Nefa tsy sahy handrazona sao sanatria hamingana ny dianao mankany
Dia mody mba miavona na dia mankafy manara-maso ihany

Mampanongilan-tsofina ny feo manganao mihaika ahy hiara-kihira
Satriko hotohafana ireto molotrao mpivetso taralila
Ireto rantsanao raha mifangiditra amin'ny tanako angamba hahasondriana
Ny fontsika hifaningotra hamoana ireny ratrako, hitera-pifaliana

Irarahan'ny hanitrao itony bobongolo dia tonga mahatamana
Ihintsan'ny andonao ny saha manontolo dia mihavelona, salama
Fahasoavan-tsesilany no mitosaka eto aky
Ka mba tsapatsapako ihany izany tsirona fitia.

Heriarilala 21/04/23 00:37
--------
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
58 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0891