LEYIN-TSY ANKISAONA (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LEYIN-TSY ANKISAONA

Maty ! Maty !
Izay no itondrako anao !
Tsy maintsy tanty ! Mafy !
F’izaho tsy hisaona anao !

Efa voalevina !
Efa voarindrina ny varavaram-pasana !
Tsy maintsy ataoko levona
ny tsiaro sy ny tsiahy tamin‘ny andro lasana !

Levin-tsy ankisaona,
ny sentoko himaona
fa ny ranomaso raraka
efa ritra, efa nitsahatra !

Tsy afaka hiara-dalana ny maty sy ny velona Tsy mila hoe minamana k’aza mihelingelina
fa ndeha mitoetra any amin‘ny tontolonao
fa ny eto aleo hivela... efa tsy anjaranao.

Heriarilala Andriamamonjy 13:46 13 Septambra 2020
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
22 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137