Misy teny mendrika (Heriarilala Andriamamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY TENY MENDRIKA Na mihoatra tahaka ny inona ny mahasorena etoana
Tandremo dia tandremo re, ny vava aza lotoina
Ny hatezerana efa voasoratra fa tsy mba norarana
Ka tsy ny ataon'ny hafa no hampitomboana fahotana.
Betsaka mpifady ange eny an-dalambe
Ka etsy mba ialana ny teny tsy voafehy
Ianao sy ny eo akaiky mety ho mpianaka ara-taona
Ka na tsy havanao izy dia aleo mba hajaina foana.
Izay voatatitra eto an-jotra dia efa misy mpitahiry
ka ny teny efa tontosa tsy ho voafafa na impiry
Miparitaka hatraiza, tsy voafefin-tsisintany
Ka mifeheza tena, ho olo-mendrika hatrany.
Na mihoatra impiry impiry ny mahasorena etoana
Aza dia mikiry ny hanompa foana foana
Mbola be ny teny mendrika ahavitana fitakiana
Fa aza mitotorebika amin-tenim-paharatsiana.
Heriarilala 16 oct 2025, 3h30
--------
Lien:
Catégorie :
Fiaraha-monina - Fananarana
