Omeo azy ny safidy (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OMEO AZY NY SAFIDY Aza tia manery noho ny fahefana kely nomeny hindraminao
Aza tia mandratra fa mahafantatra ny lasa sy ny ditrany natao
Aza tia mamoha ny maty efa nalevina tsy ho re, tsy ho hita intsony
Aza tia mamadika ny diariny matevina mba hahafahany mitony.
Safidy ! Safidy no omeo na hainao fa malefaka ny rehetra manontolony
Ny safidiny jereo na dia tsy asiany resaka ny faniriana mamololony,
fa ataony sorona aminao ny kely fahafahany ho an’ny filaminana
atolony anao ny lemim-pahatanjahany, tsy hisian’ny fahavinirana.
Natanjaka ny sainy hiboraka aminao ny rehetra fahalemeny
kanefa moa tsy hainy fa mainka hararaotra no tambin’izy ireny
dia noterenao ankolaka mba handosiranao ny hoe « an-terisetra »
Izy hoe no niboraka fa tsy ianao velively no nahavita ny « amboletra » ?
Eny, aza tia manery noho ny fahefana kely satria mahay ny miafina
Finaritra mandrahona, hilaza misitery, hamboraka ny takona
Ny fahotan’ny hafa ve hataonao fivelomana sitrany ahay sakafo ?
Vao mitady higiaka izy dia ataonao tsarovany ny ota vidìn-dafo.
Heriarilala 16 :49 Zoma 30/03/23
--------
Rohy:
Sokajy :
Fananarana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 11/06/2026 00:29
