Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tiaviko amin'izao (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiaviko amin'izaoTsy ilay izaho manoroka
fihininao tsy hikofoka,
tantananao tsy hivily,
tsy avelanao hikiry
hizotra lalan-kafa
dia tsongoina raha mitafa
Tsy ilay teny "tiako ianao"
na ny feonao mitalaho,
tsy ianao mampanantena
fitiava-mahajambena
sy miandrandra teny mamy
hasetriko an'izany
Tsy ilay ianao mivoady
hitia ahy toy ny vady
sy ho sahy haminavina
ny tohin'ny any aoriana,
ho tia foana sy ho tiana
tsy izay ilay faniriana
Fa fitiavana amin'izao :
tsy orohako ianao,
tsy vontosan-teny mamy
aleo tsy hisy izany,
ny sangy sy adiady
ajanona azafady
Fa tiaviko amin'izao
efa io ny anaranao
tsy tovanako malala
efa izao no tsara,
tsy asiana fiarahana
tsy akambana ny lalana.
Heriarilala Andriamamonjy 23-11-24 05:22
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 18/07/2026 22:34
