Vonto anao (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vonto anaoIanao no eo anoloany vao mihiratra ny masony
Ianao no toa tafìny vao asalony ny akanjony
Mikimpy ikalakely dia mifantoka aminao
Vao midaboka ny lohany dia nofy anao re izao.
Zavavy tokana iny e !
Tandremo ka tandrovy fa vonto anao ny fony
Tia ka manan-jiny
Tandremo hararaotina fa tsy voafehy intsony.
Ny kaopy isotroany toa ny molotrao tohofany
Ny rivotra iainany ? Ianao no finokany...
Vontom-pitiavana fa miaina anao tanteraka nefa tsy fantatrao
Tsy hahalala izay fandavana raha iny ho tafaresaka ka hamborahanao
ny marina andrasany,
ho asa izay fipakany...
Fa ny zavatra tsikaritra
Dia izy tsy haharitra
Fa raha ela loatra ianao dia izy no hamosaka ny tosaky ny fony
Izy no handrotsaka tsy hihambahamba intsony
Dia haborany aminao ny marina
Fa etsy ianao hanarina
Tandremo ka tandremo ny manararaotra tia
Fa fahotana tafahoatra, tsy hahasoa ny dia.
Heriarilala Andriamamonjy
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Mpakafy:
Papango1
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 30/06/2026 23:04
