Zanaka adala (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZANAKA ADALATsy nisy tsy voadika ny didy folonao
Izay rehetra vita toa tsy misy tsara izao
Mpanota tena adala nefa mba tinaiza ihany
Efa nahalala dia mbola nibirioka hatrany.
Zaza tsy mety fay amin’ny kapoky ny fiainana
Ny anatra hatrizay no nanody ho fitarainana
Rahoviana no mba ho hendry, hahay hamindra tsara
Impiry moa no bedy, no mbola miadaladala ?
Tompo ô ! Mifona ity zanakao mahantra
Fafao ny hadisoana sy ny ratsy mahazatra
Raha azo atao ry Ray dia amindrao fo farany
Ao mba diovy indray, mba diovy ny anarany
Feno fanaintainana ny zanakao mahantra
Trotraky ny fiainana, sitrano itony ratra
Ao fa tsy hanindroa ny ratsy toy izao
Efa hiova fo ity zaza adalanao.
Heriarilala 31 Jan 2023 12 : 45, VATO FOTSY
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 02/07/2026 00:20
