Zaza tsy nihary tena (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zaza tsy nihary tenaAny ho ho any misy zaza (mbola) kely dia tsy anilan-dray,
noesoina ho tsy sahaza ny renin'izay zaza izay.
Hany ka tsy nanam-pidy fa nilaozan'ilay tiany,
dia migoka ny mangidy ilay aina tsy mba manan-tsiny.
Any ho any misy ankizy mba mahazo sombintsombiny,
zaza tsy afa-misafidy, tsy natao hahita tombony,
rehefa mba mahazo kely dia mihina-mihanahana,
i Dada manko tsy azy irery fa manan-tompo ara-dalàna.
Fa misy zaza an-tokantrano tsy mahalala ny any ivelany
satria itantarana angano rehefa tsy eo ny anjara henany,
tena mino tsy fisiana rehefa sendra mba mihafy
fa tsy fantany na oviana hoe misy hafa voavatsy.
Nefa, na ny any an-tsisin-tosy na ny tena tompo-marika
Sa mila rotsirotsy, samy ts'isy tompon'antoka
Samy mila hiadidiana fa tsy misy nihary tena
Tsy misy mila fahoriana k'aza avela hampahonena.
Heriarilala Andriamamonjy 20-01-26 16:06
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 21/06/2026 12:08
