ENDRIK'ADALA (HERIMIKALO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Endrey izany bika toa mahafatifaty, kanto sy meva
Tsara jerena, misintom-panahy fa taranaky Eva
Baboina avokoa na boto na adala, na tanora na antitra
Izay hazom-bola, tsy mba mifidy, tsy manantitrantitra

Izato famindra toa midoladola, manonjanonja, jenitra ery
Ny fitafy amin'izany tsy lazaina intsony fa makatsy-makary
Ny tanana indray tsy mahapetraka mihintsy mamboatra ity volo
Manjary tsy tazana ilay tarehy mandimandina efa voakolokolo

Ireo adala amin’izany manaraka ho azy tsy mba misaina
Nefa rehefa voadoana toa mila vonjy ary koa mitaraina
Tsy mandinika akory izay hiafarana fa mora rebirebena
Amin'ny endrik’adala tsy mitondra makaiza, feno fitiavan-tena

Koa diniho sy mba saino izay voa miroso tokoa ry zalahy
Fa ny sipa amin'izao raha vao tsy ampy saosy dia lasa "m’pas"
Ny azy io ihany no zava-dehibe sy ambony indrindra
Fa ialahy no misaina sy mandanjalanja izay vao mamindra.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
866 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HERIMIKALO
Nampiditra : HERIMIKALO
Daty : 11/10/2013 11:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143