Fitia ao anaty - HERITAGE
Azo vakiana?
Hery tena hafa mihitsy
Mampangorintsina mangina
Tsy mitamby tsy mitsitsy
Ny fitiavana olon-tiana
Herin'aratra mamely
Miparitak' izay azony
Tsy azo antsaina velively
Mankarary izany tazony
Fa hasambaran-tsy hita lany
Misonenika izay tratrany
Toy ny tsy ety an-tany
Tsy voalanjanao ny fatrany
Na ny adala aza sitrana
ka ny sitrana lasa adala
Ny voazaitra tata-bintrana
Ireny bokotra mialaala
Toa Mila tsy ho tanty
Ny fitia rehefa ao anaty...
HERITAGE
Mombamomba
Mpanoratra : HERITAGE
Nampiditra : heritageDaty : 12/03/2010
Mpamangy : 1471
Mankafy : 1