alahelo (heriy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
any ianao ry tiko,any an-tany lavitra any
izao aty malahelo,mangina irery mitomany
mahatsiaro anao foana,te ahita anao
fa indrisy toa foana,izany fikasako izao
alahelo foana,no hiainako eto
lavitra olotiana,manembona ka misento
niavin'ny sorisory,ka miteraka hadin-tsaina
raha mba teo mantsy enao,dia ho foana ny taraina
fa raha ny elanelan-tany,izay mampisaraka antsika
dia hampitombo ilay fitia,ho toy masoandro mibaliaka
ka hitoetra ao anaty,tsy ho folaky ny sedra
dia ilay fitia mandramaty,izay tsy kisendrasendra
--------
Rohy:
5173 2
Mpakafy: heriy - Djah Hco
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : heriy
Nampiditra : heriy
Daty : 16/05/2017 04:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018