FIANGAVIANA FARANY! (Hery Nar Eric (Rh Mayam))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aoka izao dia hambara, lazaiko amin'ny saina tony
Fa raha ianao handao, ka tsy hiverina intsony
Iangaviako re ianao, ilay vavahadiko akatony.

Ento ny fanalahidy, ka aoka hihidy mafy tsara
Dia vonjeo ilay tianao, sao mantsy ka ho tara
Hionona ny saiko, raha toa ny antsika tsy ho anjara.

Aleo ny hifandrotra amiko, ekeko raha izay izany
Aleo koa hikitroka amiko ny aizim-ben'ny tany
Haleviko ny lasantsika raha izay no hiafarany.

Raha ho any anefa ianao, aoka intsony tsy hiverina
Ny fanalahidy efa any, aoka akory tsy haterina
Tehirizo ho anao, fa aleo ny foko hanerinerina.

Izaho moa mba niangavy, nanao izay hitazonana
Nefa ianao tsy tana fa kitay am-patorana
Tsy hovahaina intsony fa efa am-bozonana.

Farany, hamitinako azy, dia hofaranako ny teny:
Hisaona anao ny foko mba hanadino ilay fisiana
Ireo momba anao rehetra hoezahiko hariana!
--------
Rohy:
1463 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hery Nar Eric (Rh Mayam)
Nampiditra : hery3
Daty : 26/09/2015 12:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137