Vetson'ny mpivarotra fiara (hevitra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nalefa tsy hoe tsy tiana
Raha nafoy tsy hoe nariana
Raha sitrapoko tsy hay honjonina
No henoiko dia ‘’tazonina’’

Satriko e, ho anay foana
Tiako e, hody an-tanàna
Saingy tsy hisy mandra-pihaona
Fa izao no fiafarana

Hahavita be anie
Tsy ho azon-tsampona matetika
Na aiza toerana aleha
Miroso foana fa tsy fefika

Zahay na tia tsy afa-mitana
Sao vao maika tsy ho afa-miasa
Tsy ratsy iny fa tsy anjara
Enga hahasoa ny hafa

Dia ho tsara karakara
Hitondra soa fa lova tsara
Izay no fanirianay
Ho an’I minibus Hyundai
--------
Lien:
840 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : hevitra
Inséré par : hevitra
Date : 27/09/2013 07:16
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013