adinoiko tsotra izao (hi hi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny lasa hono momba ny lasa
Ny ho avy re no asa
Vao niainga iny ianao,
Dia nanapa-kevitra aho
Fa hanaraka ny rivotra nitsoaka iny hariva iny
Ny lasantsika sy ny fitia fahiny
Nitomany aho saingy nilaza fa io no farany
ka ho adinoiko tsotra izao ny fitia sy ny fiangarany

Mainka moa ankehitriny
Misy anjely miambina aho
Ka ho adinoiko ny fahiny
Adinoiko tsotra izao

ainamikalo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1078 1
Mpakafy: kalointsika
Hevitra mandeha
Rajordri ( 18/06/2008 09:22)
sambatra ianao raha mahay manadino
ny andro efa lasa navalon'ny taona....
kalointsika ( 30/06/2008 08:14)
tsy maintsy adinoina ny lasa hanatsarana ny ho avy r'se a! tena marina e
tsiambaratelo ( 06/07/2008 13:23)
zah ndray tsy sahy sahy
manadino ny lasa fa ireny aza hono
no vao maika hanatsara ny hoavy,asa!?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : hi hi
Nampiditra : kalointsika
Daty : 12/06/2008 13:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149