NY AMPITSO (Ianina RABE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io andro ho avy io
Mety hanala ny tadio
Hanova fiainanao
Hitondra rivo-baovao

Ny ampitso vaovao
Dia natokana ho anao
Ho anao irery ihany
Mba hanala ny tomany

Ho avy ny maraina
Hitondra hery vaovao
Hanome tsiky raha malaina
Hisy masoandro ho anao

Hibalika ny mazava
tonga indray ny atoandro
rotoroto lalandava
hazakazaka isan’andro

hisy masoandro indray
hanome ilay mazava
masoandro anakiray
hanangana ny rava

ho tonga ny anjaranao
mbola hitsiky ny vintana
tsy ho ela dia ho azonao
ilay mazava toy ny kintana

Ny ampitso ho avy ihany
Hanome hazavana hatrany
Eo amin’ny tontolo
Ny sorisory ho afaka daholo

Rehefa tonga ny ampitso
Aoka ianao ho olom-baovao
Mamela ireo diso
Ny lolompo avelao

Ny ampitsonao
Mety ho tsiky na tomany
Fa entina hiatrika izany
Ny vavaka atao
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1123 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ianina RABE
Nampiditra : ianina
Daty : 11/09/2014 16:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133