Rivo-pitia (Ianina RABE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry rivotra miserana
Avy aiza ary handeha ho aiza?
Ny tontolonao tsy azo ferana
Fa izaho tsy afaka mankaiza

Ianao ry rivotra malala
No mety mahafantatra ahy
Manakery entina hahalala
Ny ao am-po amam-panahy

Raha toa ka fantatrao
Raha vitanao vinany
Ny ao am-poko ao
Dia tazony ho anao ihany

Fa misy olona iray
Tiako omenao an’izy io
Izay tovovavy izay
Ampiaino ny rivotrao madio

Ry rivotra tsy fantatro
Raha mety ianao izao
Aleo ho ankamantatro
Izay ao am-poko ao

Fa ny tena ilako anao
Dia ny hampita ny ato am-poko
ento izy izao
Ka omeo an’ilay tsy foiko

Ilay tovovavy iray
No tiako ampafantarinao an’io
Ka ny fitiavako sy ny rivotra ho iray
Dia ho tonga ilay fitiavako madio

Omeo azy ny rivotrao
Ampiarao amin’ny fitiavako
Aoka mba ho rivo-baovao
No atolotrao an’ilay havako
--------
Rohy:
970 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ianina RABE
Nampiditra : ianina
Daty : 26/03/2014 07:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134