EFA-TAONA IZAY (IdealySoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA-TAONA IZAY

-Mitamberin’ilay andro,
Niarahantsika roa,
Mamirapiratra masoandro,
Mba mahatsiaro ihany koa.

-Tsy adinoko satria,
Fotoana iray mamintsika,
Nanirin’ilay fitia,
Nampafana ilay hatsiaka.

-Tsingerin-taona faha-efatra,
Raha ny taona no isaina,
Nizakàna ireo mavesatra,
Ny mamy koa tsy hay tanisaina.

-Fa maro ny olana nitranga,
Isika anefa, mijoro hatrany,
Saika vaky…, fa tsy banga,
Noho ilay fitiavana izany;

-Ny irina, ary apetraka amin’ny Ray,
Haharitr’ho mandrakizay,
Hitsingerina hatrany,
Hatramin’ny faran’ity tany.

IdealySoa (2007)
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1191 0
Hevitra mandeha
pisokelinah ( 06/12/2010 15:41)
tsara be!!!nenay 10 taona zay no lasa fa tena maro ny olana nitranga!nisy hatramin'ny fisarahan-toerana sy ny sisa saingy samy tsy kivy f aniezaka hatrany mbahanamafy ilay fitia!mirary soa e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IdealySoa
Nampiditra : IdealySoa
Daty : 05/11/2010 13:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746