VALIO (IdealySoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VALIO
-Hono oa mba valio,
Izao ahiahiko izao
Raha diso aho dia ahitsio,
Sao manao ny tsy fanao;

-Raha toa ka tsisy fahasambarana
Ny fiainana izay iainako,
Moa ve azoko faranana,
Ny sisa izay mba androm-piainako?

-Raha mahatsiaro mijaly,
Lavitry ny fifaliana,
Azoko atao ny miangaly,
Hirahiram-pijaliana?

-Raha manalok’ahy foana,
Ny aloky ny ahiahy,
Azoko atao ny manafoana,
Raha izay, no, hahasambatr’ahy?

-Toa zary fijaliana ny fiainako eto an-tany,
Moa misy azoko atao, hampifarana izany?

-Mba valio raha azo atao,
Fa tady hanao ny tsy fanao!
IdealySoa (2007)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1256 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IdealySoa
Nampiditra : IdealySoa
Daty : 05/11/2010 13:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0292