' Teny gasy ?" (Ikala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny teniko mamy,
tsy fahare eran-tany
fa toy ny mozika,
tena misioka !

Manaitra tokoa,
tsy manam-paharoa,
fa toa bitsibitsika
toa ritsodritsoka !

Miangolangola…
milantolanto…
izany izy izany !
moa va tsy kanto ?

Ampiko indray koa
ny teny hoe « ‘nareo roa “
sy ny teny hoe “fitia”
ary ny hoe “ ho doria » !

Ny teniko mamy,
tiako izy ‘zany !
Mahafatifaty, mahatàratara,
henoy koa anie ny hoe :
“masoandro sy anjara” !

Fa tiako ihany koa
ny teny hoe “soa”…
ary tsy latsak’izay,
ny hoe “anay”
ny hoe “vinavina”
ny hoe “tena tiana”…

Ary ny hoe “Anjely” ?
henoy kely fa tena mirimà
amin’ny teny hoe “tantely” !

Kanto ny teniko,
fa mampihira ny fo…
kanto ny teniko,
fa gasy tokoa !

Ikala (2011)
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
972 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ikala
Nampiditra : Soaikala
Daty : 20/06/2013 13:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132