Nampiditra : Soaikala
Daty : 20/06/2013 13:38
Nijery : 1151
Tononkalo: 2 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Ikala

Ikala no anarana entiko amin'ny maha-panan-kato ahy, ary io rahateo no fiantsoan'ny be sy ny maro ahy efa aman-taonany maro izao (15 ans).
Ny tenako aloha dia tsy miketrika loatra ny soratra, fa ny hain-tànana no tena angadiko, ka ao ny hoso-doko miaro akora samy hafa... ao koa ny fanamboarana jiro (lampes). Fa kosa... ny aingam-panahy tsy azoko ferana ka matetika aho no vangian'ny teny sy ny hafatra... ka dia mandray penina, ary manoratra. Voataiza tao anatin'izany rahateo, satria ireo Ray aman-dReniko teo aloha dia nilomano tokoa tao anatin'izany fanoràtana izany...
Izay no azo ambara hatreto, ka dia mirary soa indrindra ho antsika rehetra, ary enga anie, ka ho entan'ny aiga-mpanahy hatrany ianareo tena havànana amin'ny fanoràtana.
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/ikala
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0185