Hevitra momba ny FIHODIKONDINANA

Hiverina amin'ny FIHODIKONDINANA
vonynive ( 12/06/2014 07:27)
FIHODINKODINANA
(inspirak'ilay kôf iray izay ety ambany tanàna)

Lazaina fa fihodinkodinana
no didy mitondra ny tany
fiakarana tsisy fidinana
ny ambany : ambany hatrany

Aketraka ho mora havarina
Aroraka ho tonga kanosa
raha potraka tsy avela ho tafarina
hosena fa olona osa

Dia olon'adala ny lazany
no sady manary ny zony
tsy mendrika ny Tanindrazany
fa hafa ny olona ambony

Mandritra ny andro iainany
ka mandra-pahatoriany ho lo
izao no ataony ho fisainany
fahantrana : lahatra to
hery ( 12/06/2014 09:13)
Hmm,

ary toa aty amin'ny hevitra ilay izy no nampidirina :-)
vonynive ( 16/06/2014 05:46)
odry ! Eny tokoa !
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0093