Fambolena Tandrenivohitra (Jacobson)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAMBOLENA TANDRENIVOHITRA

Ariary zato am-pandriana, lasa tsindrona fangolena
Tsy manam-bola ny tandrenivohitra satria rehefa manorana ny andro, firaisana ara-nofo no ao an-tsainy fa tsy fambolena.
Mantsy...tsy efa nomena tany lena ?
Saingy niniany naveriny in-droa ilay "lena", 'lay lena mba hiteraka investissement hahazahoana zanaka satria, zanaka dia harena.

'Ndao hamboly zanaka dia...afaka sivy volana mioty
Ny marainan'ny orana koa mantsy no mamboly fa ny moment itongavany ambony fandriana mamaky boky;
Mamaky ny asa-soratry i Timoty.
Izany ka fitiavana no lehibe indrindra! Fanetsana azo antoka sy toky
Dia alefa any amin'ny crèche mandray zaza manomboka telo volana, hisora-tena sahady ny ho kamboty.

Investissement durable mihintsy sady productif ny firaisana ara-nofo, indrindra fa mandritra ny saison pluvieuse hoan'ny Malagasy tia zavatra mibanaka
Mantsy...harena ny zaza, harena no fanaka.
Mamboly hazo sivy taona vao afaka mialoka, mamboly coco anakiray mamboly taranaka
Tsy maka fanahy an-dRa Lion Hill aho fa ny firaisana sivy volana dia efa afaka mianoka, mianoka harena no manana zanaka.

Fambolena daholo izany e, ny zezika rahateo ampy tsara foana,
Sivy folo isan-jato ny taux de germination-ny, samy amin'ny famboleny tsy mila miandry orana
izany fa tondraka mandava-taona.
Semense koa misy isan'andro tsy mila fotoana
Fa...izay ambolena azy vokatra hatrany, ny ahi-dratsy sy ny lobolobo ihany no mila esorina dia efa vokatra io, any an-tanimboly isika no mihaona.

Mba mihaona miara mamadi-bainga lonaka sady finaritra no vita vetivety.
Ny vokatra tsy miova fa ny mpihinana no mitombo, vary roa kapoaka; olona anakiroa; efa tsy olona (4); eny ny olona (6); fahavalon'olona (8)...fokon'olona (10) mameno ny tampo-tanety.
Ny tany anjaranao roa metatra tora-droa satria niteraka efatra na enina dada sy mama Dety.
Nefa...nanambady ianao, io ihany; niteraka dia io ihany; rehefa tsy miezaka mivoatra na manangana dia...io ihany no anjaranao sy ny taranakao anio sy mandrakizay...andao hamboly vokatra raha mety.

Hoy ireo Mpandraharaha
Mpandraharaha toa anay.

© Jacobson, (Gyn Yellow)
05/07/2023
--------
Rohy:
252 1
Mpakafy: GinYellow8
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jacobson
Nampiditra : GinYellow8
Daty : 07/07/2023 19:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0259