MANGA SÔMASÔMA (Jacobson)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fikambanan-dehilahy iray fiangonana
No itsirian'ny fialonana
Fiavonana
Fa samy te homana
Ny iray tanàna koa ity efa miomana
Miandry azy hivoaka rehefa mitatao vovonana
Satria itangoronana
Ka zary lasa toeram-piantsonana
Fotoana ohatran'izao mantsy iny mandalo eto foana
Iny tokoa ary fa tamy avy eny ambony havoana
Tao mitsako siligôma
Fa hisarika avy hatrany an'ireto olona efa noana
Manao ahoana!
Hoy izy ry legôna
Ka na ny avy ao aoriana na ny manoloana
Samy ngôma
Te hisôma
An'ireo manga sômasôma
Manga eto mora Ramse a!
Sady mampitelin-drora no manaitra ny be nangy
Fa na ozatra efa lozitra miverina ho dangy >>

Saingy
Tsy sangy
Tsy hoe tsy misy vangy
Hoentina mamangy
Ny mpamatsy re
Fa sendra mpivahiny lany vatsy e!
Lasa mangataka tsy satsy
Ka na ny aroa sy ny atsy
Noheveriny ho olon-dratsy
Mantsy
Satria tsisy majy
Ny ady varotra tsy kajy
Fa izay tombanany no fetran'ny fatrany
Ka manam-pahefana no manara-po izay zakany
Miantohoka hamamiana hatramin'ny tena fakany
Firy ny voaratrany
Tsisy antsany
Velona hataka fa tsy alatsany
Miady varotra an'izay tratrany
Fa eee, mba te hitsapa izato manga trotroiny eny an-tratrany

Dia sanatria ve faniriana indray mipika ?
Aleo mihintsy aloha tsy mbola vita
Nitady fikafika
Hanangom-bola izay nivika
Niandry ny hiseranany eto indray handrangitra an'i Lita
Nigadona ilay ora sy minitra
Marary angamba izay fa lasa tsy hitahita
Ilay zokiny no tazana nitondra ilay sobika
Fa tsy toa azy soa bika a!
Izy aloha sariaka
Raha adika
Saingy hoe masiaka
Manalika
Tsy mba kitakita
Sady malaindaina menatra hiampita

Tafiditra ny havoana avy eny amin'ny fidirana
Nianjaika miramirana
Tsy fantatra izay hoentiny fa lasa fifandirana
Jerena manahirana
Somary nisopirana
Tsy nahita mangirana
Nanantona eo anilany
'Ndrao fa misy fofona mahakirana
Iny fa nahilany
Hay voasarimakirana !
Ka samy niala ilany
Ny an-daniny sy an-kilany
Hatramin'ny manam-pahefana mpanao sori-bilana
Tsy arakaraky ny fofony
Raha ny endrika sy lokony
Ny azy koa tsy zotony
No mandeha amin'ny tokony
Ilay manga sômasôman-jandriny no tokony
Hiangavina an-jokiny
Raha mbola tsisy tompony
Faingana hoe sitràna, sao masaka eny am-potony.

© Jacobson (Gyn Yellow)

12/01/24
--------
Rohy:
93 1
Mpakafy: GinYellow8
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jacobson
Nampiditra : GinYellow8
Daty : 04/02/2024 23:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015