You are here: home > Vetso

Mafy - jaory

Azo vakiana?

Mafy ty nahazo ty foko
Fa vao mba nitia dia toja toloko
Nanatena fitiavana mamy
Kanjo fijalina no setrin'izany

Noheveriko fa tena fitia
No natolony sy nomeny ahy
Nolazaiky koa fa fitia ho doria
Kay mpamitaka ratsy fanahy

Ny todi-paty tsy hisy
Fa ny todi-pitia manodiava
Raha ny hiverina aloha dia tsy misy
Satria ianao no nandrava

Hadinoy ny fisiako
Indrindra ireo zavatra efa vita
dia tsofy rano ny diako
Satria tsy hanjara ny antsika

Ka izao no hafatro farany
Ary koa tadidio
Tiavo izay soloko any amparany
Fa hadinoy aho manomboka anio

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : jaory

Nampiditra : jaory
Daty : 02/06/2004
Mpamangy : 1828
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Hampanginiko ny foko