Hampanginiko ny foko - jaory
Azo vakiana?
Hampanginiko ny foko
Izay nitepo hatrizay
Hotoniako koa ny saiko
Tsy hamisavisa anao
Be re ny vitan-tsika
Fa ny hoavinao jerena
Ny fonao manontolo angamba
Efa misy manantena
Izao aloha tsy ho kivy
Na koa ketraka amin'izany
Faniriana anie ny antsika
Olom-belona eto antany
Ka raha toa ve tsy tsara
Na koa tsy hanjara
Tsy aleo ve misaraka
Fa tsy izany ve no tsara
Izay , izay fa veloma!
Hevitra mandeha
pisokelinah (11/10/2010 13:41:09)
veloma e!ampanginiko kou nenah
nnn1 (29/11/2010 08:42:47)
Mombamomba
Mpanoratra : jaory
Nampiditra : jaoryDaty : 24/05/2004
Mpamangy : 4404
Mankafy : 1