Handefera-ko ilay teny (Jean Baptiste Tarzan)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
F'ilay niteny tao an-tranotaminy heri-pamoretana
dia ho mpianakaviko ihany
ka homeko fandeferana
F'ilay tia nahery teny
tsy nisorona ny am-po
dia ho olo-tiako ihany
holaviri-ko hambo-po
F'ilay zivako amin'i dada
nanamavo izany raza-ko
dia ho lafik'avako ihany
tsy hanangana-ko raha sandry
F'ilay namana sakaiza
nandratra saina...teny tsy iniana
dia ho nama-ko hatrany
tsy handratra-ko raha ny foko
F'ilay tsilom-piaraha-monina
tsy nipaka taminy nofoko
dia tsy hitoka-ko monina
hosoloa-ko famotsorana
Handefera-ko ilay teny
afatsy ny teny ratsy
dia ho tiaviko ireo hava-ko
f'izay no maha malagasy
--------
Rohy:
Sokajy :
Kolontsaina - Fiaraha-monina
Hevitra mandeha
fiaritiana
(
19/02/2006 15:35)
misy anatra tsara azo raisina mihitsy ato izany!