Mpanendrikendrika - Jean Baptiste Tarzan
Azo vakiana?
fa izaho mpanendrikendrika
ny mpiara-monina amiko
sy mpanan-tsiny koa
ny finoan'izany razako
dia ho olo-mpiala andraikitra
sy tia manentsi-keloka
ka nitady fomba ihany
hanamarina ny fihetsika
Fa ty izaho mivetsotso ny fisarahanay
fa nilaozan'olo-tina
ka hiampanga fiaraha-monina
ho mpisopatra fitia
Ary izany fahantrako
tsy hiampanga-ko raha ny tenako
ka hiampanga-ko ny finoana
izay nampisy ny anjara
Ndeha horaisi-ko ny andraikitro
handisoa-ko ny eritreritro
sy ireo mpanendrikendrika
izay meloka toa ahy
Sokajy :
Fiaraha-monina, Kolontsaina
Hevitra mandeha
pissoa (15/02/2006 15:26:53)
fiaritiana (16/02/2006 07:44:35)
Jokera (17/02/2006 13:14:21)
Mombamomba
Mpanoratra : Jean Baptiste Tarzan
Nampiditra : JokeraDaty : 15/02/2006
Mpamangy : 1694
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Handefera-ko ilay tenyLe péché
Ma fleur
Ny vola
Safidi-ko nanenina
Hery hafa no mamely