Tiako raha toa ka... (Jean honore)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako raha toa ka ianaono ho antsoiko isan'andro hoe malala
tiako isika tsy mba hifandao
samy tia tsy mba misalasala
nihiratra ihany ny masoko
tsy nahita hafa aho anefa
f'ianao no hany tanatiko
nambabo ny foko rehetra
an'arivony raha kely indrindra
ny tsara izay hitany masoko
f'ianao kosa niavaka indrindra
nanaitra ny fo tato anatiko
toa afo mirehitra mavaivay
ny fitiavako anao ry malalako
hitoetra amiko mandrakizay
hitsilo hanazava ny lalako
faly ity foko satria
tafaray izaho sy ianao
samy manana fo samy tia
mbola miaraka ha@ izao
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
ratovonirianajeanhonore362
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Jean honoreNampiditra : ratovonirianajeanhonore362
Daty : 03/01/2019 09:42