alaelo (jean jacques)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alaelo tsy voafetra
No ilazako aminao
Fa ny lasako rehetra
Mbola manina anao

Alaelo tsy voafaritra
Izay mitoetra sy maharitra
Mahatsiaro ny fahiny
Noho ilay olona iny

Alaelo ireo tantara
Izay tsy maitsy adinoina
Satria hono tsy anjara
Ka tsy maitsy ho soloina

Alaelo tsy hay fafana
Mahatonga hakiviana
Fa tsimaitsy ho rarana
Ilay olona hirina

Alaelo ny ho avy
Tsy hiaraka aminao
Mbola sasatra miagavy
Miverena izao dia izao
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1279 1
Mpakafy: jeanjacques
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : jean jacques
Nampiditra : jeanjacques
Daty : 10/09/2016 09:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128