You are here: home > Vetso

AFAKA - Jeannot Baptiste

Azo vakiana?

Afaka, eny afaka tokoa;
'Lay geja nahazo ahy taloha.
Mifaly aho, eny mifaly hatrany;
Satria nahatsapa ho tena afa-jaly.

Afaka ny gadrako nanidy;
Izay nahatsapako ilay tena mangidy.
Natsipiko ireo sentosento;
Ka afaka,eny afaka aho hatreto.

Afaka ny fanaintainana mahamay;
Ilay niaretako indrindra rahatrizay.
Nisolo hafaliana mahatehotia;
Iriko izany mba ho mandrakizay doria.

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Jeannot Baptiste

Nampiditra : Jeannot44
Daty : 13/08/2019
Mpamangy : 69
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

FITIA TSY VOAHAJA