FITIA TSY VOAHAJA (Jeannot Baptiste)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriandrin'ny foko, andriandrin'ny saiko;
Ny fisianao ry tiana no namelona ny aiko.
Ny fizahan-toetra izay efa nosotroina;
Nampangoraka ny fo, ka tsy azo ho soloina, na inona hanjo.

Ankehitriny anefa toa nivadika ianao;
Nivadi-panekena, nanao ny tsy fanao.
Nanjary fahoriana, izato paradisa;
Naravanao tokoa ny fahasambarantsika.

Ilay fitia volamena, volafotsy sy safira
Nilaozanao nangina, tsy nasianao sira.
Fitia tsy voahaja no nisy tamintsika
Fitia tsy voahaja, aleo samy vita.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
541 1
Mpakafy: Jeannot44
Hevitra mandeha
Jeannot44 ( 26/07/2019 18:58)
m"lay e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeannot Baptiste
Nampiditra : Jeannot44
Daty : 26/07/2019 08:26
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147