FA MANINONA ...? (Joelsonhertina2)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa maninona ny foko
No tsy hilaozan'ny toloko
Natokana alahelo ve,
Sa voatokana hijaly?
Fa maninona ny saiko
No tsy afaka eritreritra
Sa voabaikon'ny fanahiko
Ka noterena mba hierotra
Fa maninona ny vatako
No tia fahafinaretana
Sa ve ny eto an-tany
No mahatonga izany
Fa maninona ary izaho
No tsy afaka mandao
Ireo alahelo sy toloko
Izay naharatra ity foko
--------
Rohy:
Sokajy : ahy - Alahelo
908 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joelsonhertina2
Nampiditra : joelsonheritiana2
Daty : 10/05/2017 16:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144