ANATRA - JORO
Azo vakiana?
Tsarovy ry sakaiza
F'ireo tanjon-dRay sy Reny
Dia manoro sy mitaiza
Sy hahasoa anao raha miteny
Raha ny teny 'zay lazainy
Entiny hananarany anao
Noho ianao sombin'ny ainy
Dia mba ho lasa olom-baovao
koa raha mananatra izy ireny
Aza hodiana tsy henoina
Fa mba raiso re ny teny
Mba hialana ireo voina
Fa ny anatr'izy ireny ry lahy
Dia toy ny tsipak'ombalahy
Ka tena mahafaty tokoa
Raha sendra mahavoa
Raha tsy, dia mahafanina
Ka any ankady vao tafarina
Koa izao no tadidio
Fa ireo ditranao anio
Dia hanjary fandatsana
Rehefa tonga any ampara
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : JORO
Nampiditra : MoundzeeDaty : 17/10/2008
Mpamangy : 1316
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Asa...!Neny
HIEZAKA AHO