HITAHY ANAO JESO - Juan L (juan lukas art'lala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HITAHY ANAO JESO - Juan Lukas Art’lala 28 September 2017
Tsy fantatro izay diavinao anio
Fa izao no Tadidio
Hitahy anao anie Jeso
Tsy haiko izay soritra
Na mahafinaritra na mahasosotra
Fa izao hitahy anao anie Jeso
Tsy voavinavinako
Tsy takatry ny saiko
Fa hitahy anao anie Jeso
Tsy tsinjoko izay hiafaranao
Tsy tazako ny ampitsonao
Fa hitahy anao anie Jeso
Tsy voatsaboko ny ratranao
Tsy voafehiko ny ferinao
Fa hitahy anao anie Jeso
Tsy vitako ny adinao
Tsy todiko ny fiaretanao
Fa hitahy anao anie Jeso
--------
Lien:
580 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : juan lukas art'lala
Inséré par : jeanluckonjaherilalarazana
Date : 01/03/2018 07:58
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136