NA DIA … Juan Lukas Art (juan lukas art'lala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA DIA … Juan Lukas Art’lala 26 septembre 2017
Na dia afenina aza,
Na dia takonanao tsy ho hita
Dia fantatro avy hatrany tamin’ny fihetsikao
Fa misy Tianao ambara
Na dia afeninao
Na dia saronanao
Amin’ny fandavana tsy ankijanona nyfanontaniako
Dia tsapako avy hatrany amin’ny fiteninao
Fa misy hevitra mifanohitra ao am-ponao ao
Na dia saronanao
Na odianao tsy hita
Toy nytapik’andrina aza
Dia miariary tsy hay afenina
Fa tazana avy hatrany amin’ny fombanao
Na dia odianao tsy hita
Na dia fantatrao
Fa ny fihesikao sy ny fiteninao mamboraka ny hevitro afenina
Dia nangina ihany ianao
Ka tsy niteny satria efa fantatrao
Na dia hitanao aza
Ireo taratra manify mifanandrify
Amin’ny eritreritrao
Dia nodianao tsy hita satria mantsy mety handratra fo
Na dia hitanao
Na dia tsinjonao aza
Ny hamafin’ny ady raha tazanina
Sy ny onjam-peo mahafanina
Dia mbola nandroso ihany ianao fa manan-kambo hiadivana
Na dia tsinjonao
Na dia inoanao aza
Fa hiravona ny zavatra rehetra
Hilamina sy ho tony
Dia tsy manakana anao tsy hiasa izany
Na dia inoanao.
--------
Rohy:
491 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : juan lukas art'lala
Nampiditra : jeanluckonjaherilalarazana
Daty : 01/03/2018 08:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141