IZAY TIANA MITOMBO TAREHY (JV Rajaonhson)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(...)mbola tazako manangasanga
ambadik'ilay rahona iny
fitiavany tsy mbola banga
tsisy pentina toy ilay fahiny

Tiana tsy manantsahala
hari-elatra fa tsy handao
tokam-po toa voromailala
mandramaty ny voady natao

Hery miankotso fanahy
ampoka tsiky tsy miato
sambatra tsy mba manahy
mafy sahala ny vato
--------
Rohy:
52 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JV Rajaonhson
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 14/09/2023 10:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0644